Araka ny vinan'ny Fitondram-panjakana Fanavaozana izay manome lanja ny mpianatra malagasy sy ny tontolon'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, dia miezaka foana ny Fanjakana mamaly ireo filàna fototra ho an'ny mpianatra mba hanomezana azy ireo tontolo iainana madio sy milamina.
Ho fitohizan'ny asa fanatsarana ny fotodrafitrasa eny amin'ny Oniversite, natomboka androany 20 Aogositra 2026 ny asa fanarenana ny trano fidiovana sy fivoahana ao amin’ny Bloc DITRA, Ankatso 1. Mandray an-tanana ny fanatanterahana ny asa rehetra mikasika izany ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ary hitohy amin’ireo trano fonenan’ny mpianatra manodidina izany.
Nitarika ny delegasiona nijery ny fanombohan’ny asa teny an-toerana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Coordonateur National du Centre National des Œuvres Universitaires (CNOU).
Velom-pisaorana sy fankasitrahana ny Fitondram-panjakana ireo solontenan’ny mpianatra noho izao fandraisana andraikitra sy fitsinjovana azy ireo izao.