Voatendry ho Tale mitantana ny maha olona eto amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra, ny 13 aogositra 2026, Dr RANAIVOSON Sahondra Lalao Olga.
Notanterahana ny 19 aogositra 2026 teto Fiadanana ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny Tale teo aloha Andriamatoa LAHADY Victor.
Nanatanteraka ny fifamindram-pitantanana ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala.