Laharam-pahamehan’ny MESUPRES ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Mikaroka ary mahita vokatra hahafahana mampandroso an'i Madagasikara sy misy fiantraikany mivantana amin'ny vahoaka ny mpikaroka Malagasy.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Fihaonambe isan-taona ataon’ny « Collectif des Professeurs Titulaires et Professeurs des Universités de Madagascar » (CPTPUM), tao amin’ny KSLMD Andrainjato, Fianarantsoa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 17 aogositra 2026.

Mandritra ny telo andro, ny 17 sy 18 ary 19 Aogositra 2026 dia hiara-hidinika manodidina ny lohahevitra « La multidisciplinarité et l’honnêteté scientifique au service de la Science et du Développement durable inclusif » ireo mpikambana hahafahana mamantatra ireo voka-pikarohana izay mitondra fampandrosoana sy vahaolana ho an'ny Firenena.

Miara-miasa akaiky amin’ny MESUPRES ny CPTPUM nandritra ny 45 taona nisiany. Niara-nisalahy tamin’ny fametrahana ny « Commission Nationale Universitaire et de Recherche Scientifique » (CNURS), ny fampiroboroboana ny « Excellence », ary ny famolavolana ny lalàna momba ny HDR sy ny Doctorat.

Nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ny Minisitra ny CPTPUM tamin'ny fanohanany sy ny maha-mpikambana feno azy ao amin'ity fivondronambe ity. Notolorana salotra hasina ireo Profesora mahefa, ary noraisina tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana vao nahazo ny mari-pahaizana maha-Profesora.