Manohy ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES). Efa nisy, rahateo, ny dinika niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony tsy miankina manerana ny Nosy, ny 24 Aprily 2026, izay nampahafantarana azy ireo ny dingana sy ny fepetra takiana amin’ny fangatahana fahazoan-dalana sy fankatoavana.

Ao anatin’ny fanomanana ny CNH ihany koa ny MESUPRES amin’izao fotoana, ka anisan’ny asa atao ny fidinana ifotony sy ny fanaraha-maso ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony.

Tao anatin’izany fanaraha-maso izany no nahitana fa misy toeram-pampianarana mbola tsy manana fahazoan-dalana hisokatra, ary misy aza mbola tsy manana birao na toeram-pampianarana ara-dalàna, kanefa efa manao fampahafantarana ary miantso mpianatra, toy ny hita teny Tanjombato ny 10 aogositra 2026 nandritra ny fidinana ifotony niarahana tamin'ny Tale misahana ny Fankatoavana sy ny Fiantohana ny Kalitao, Dr RAKOTONIAINA Bearisoa. Nomena toromarika avy hatrany izy ireo mba hanatona ny Minisitera eny Tsimbazaza hahazoana ny torolalana ilaina amin'ny fampanarahana ny asa amin'ny fepetra sy ny lalàna manan-kery.

Marihana fa efa misy tolotra fampiofanana ampitain-davitra (FOAD) roa tsy miankina amin'ny Fanjakana nakatona vokatry ny tsy fahatomombanan'ny fepetra, ary mampitandrina ny MESUPRES fa handray fepetra henjana sy tsy handefitra amin'ireo toeram-pampianarana mbola minia misokatra sy mampianatra tsy misy fahazoan-dalana.

Hita any amin'ny Faritra ihany koa ity tranga ity, ka manentana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny Minisitera mba hanamarina ny maha-ara-dalàna ny toeram-pampianarana alohan’ny hisoratana anarana na handoavana vola, ary mampahatsiahy ireo mikasa hanokatra toeram-pampianarana mba hanaraka hatrany ny dingana ara-dalàna.