Anisan'ireo vina lehibe iasan’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony. Miantoka ny fanarahana ny fenitra sy ny kalitao eny amin’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony ny rafitra “Habilitation”, “Accréditation” ary “Équivalence” (HAE).
Notanterahina ny 03 aogositra 2026 teto Fiadanana sy an-jotra araka izany ny fampahafantarana sy fampiofanana, momba ny sehatra nomerika HAE niarahan'ny MESUPRES tamin'ireo tompon’andraikitr’'ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana. Nitarika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala niaraka tamin’ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ireo Tale isan-tsokajiny.
Miisa 546 ireo antontan-taratasy voaray hatramin’ny 10 jolay 2026, raha manodidina ny 250 kosa ireo antontan-taratasy azon'ny "Commission Nationale d'Habilitation" (CNH) hodinihina amin’ity andiany ity. Mialoha izany dia mandalo dingana fanasokajiana sy fanamarinana eny ifotony ary “expertise” ataon’ireo manam-pahaizana manokana ny antontan-taratasy. Vinavinaina hanomboka ny 21 septambra 2026 ny fivoriana ara-potoanan’ny CNH sy CNA, ka ity sehatra nomerika HAE ity no hanamora ny fitantanana ny dingana rehetra amin’ny fangatahana “Habilitation”, “Accréditation” ary “Equivalence”.