Nitarika ny Fananganan-tsaina teto Fiadanana ny 03 Aogositra 2026 ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala. Nankasitrahany nandritra izany ny fiaraha-mientan’ny rehetra sy ny ezaka natao ka nahatontosana tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny fanadinana Bakalorea 2026.

Tetsy an-kilany, namporisika ny handefasana ny tatitra momba ny fanaraha-maso ny fanadinana Bakalorea mba hanatanterahana ny tombana ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony.

Nambarany ihany koa fa hifantoka amin’ny "Commission Nationale d'Habilitation" (CNH) ny asa mandritra ny tapany faharoa amin’ity taona ity. Mitohy ny fidinana ifotony any amin’ny Faritra. Ny fivoriana ara-potoana voalohany dia hotanterahina ny 21 ka hatramin’ny 25 Septambra 2026 ary ny 03 Aogositra dia tanterahina eto amin'ny MESUPRES ny fivoriana fanazavana momba ny sehatra nomerika CNH/CNA ho an’ireo tompon’andraikitra rehetra eny amin’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony.

Farany, nampahatsiahivina fa hiatrika ny fifaninanana ASIEF ny Minisitera amin’ity volana ity, ka nantsoina hiomana tsara ny ekipa rehetra.