Anisan'ny vinan’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambaratonga ambony, ny fanofanana tanora mahay sy afaka mamorona asa ary mahavita miatrika ny fivoaran'ny teknolojia. Maneho izany ny famoahana ireo injeniera vaovao, izay antoky ny fampandrosoana an'i Madagasikara.

Notanterahina ny 31 jolay 2026 tao amin'ny KSLMD Andrainjato ny lanonana famoahana ireo andiany SPICA (Licence) sy HENIKA (Master) nahavita fianarana tao amin'ny École Nationale d'Informatique (ENI) Fianarantsoa. Manodidina ny 500 ireo nahazo diplaoma tamin'ity andiany ity.

Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy fa mamoaka olom-pirenena vonona handray andraikitra amin'ny fampandrosoana ny Firenena ny ENI. Namporisihiny ihany koa ireo nahazo diplaoma mba tsy hitsahatra ny hianatra manoloana ny fivoaran'ny teknolojia ary ho liana amin’ny famoronana asa. Niantso ireo ray aman-dreny ny Minisitra hanohy hanohana ny zanany amin'ny fianarana. Nisaorany ihany koa ireo mpampianatra sy ny mpitantana ny ENI tamin'ny fanoloran-tenany tamin'ny fanofanana ireo injeniera vaovao.

Mialoha ity lanonana ity dia nitokana ny ENI-KANTO STUDIO izay mifandray amin'ny lalam-piofanana “métier du digital”, ny Minisitra sy ireo manam-pahefana tao an-toerana.