Manohy ny fanomanana ny CNH ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Ao anatin’izany dia misy ny fidinana ifotony eny anivon'ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony nametraka fangatahana, mba hanamarinana ny fahafenoan'ireo fepetra takiana.

𝐓𝐬𝐢𝐚𝐡𝐢𝐯𝐢𝐧𝐚 𝐟𝐚:

Ho an'ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina, ireo mangataka ny fazahoan-dalana hisokatra no miantoka izay lany rehetra amin'ny fidinan'ireo tekinisianina mijery ifotony (frais de déplacement sy indemnité de séjour), araka ny didim-pitondrana laharana faha-167/2004 izay mamaritra ireo fepetra fisokafan'ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin'ny Fanjakana.

Maimaimpoana tanteraka ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra. Tsy misy sarany na fandoavam-bola hafa takiana amin'ny fizotry ny fangatahana fazahoan-dalana hisokatra.

Ny MESUPRES dia manentana ny rehetra mba hitatitra avy hatrany raha misy tranga mampiahiahy na fitakiana vola tsy ara-dalàna amin'ny alalan'ny laharana finday: 034 01 042 16.