Mijoro ho ivon’ny fandrindrana ny fiarovana ny fanadinana Bakalorea 2026 ny « Centre Opérationnel de Suivi et de Sécurisation du Baccalauréat Analamanga ». Ao no anangonana sy anadihadiana ireo vaovao rehetra mahakasika ny fizotry ny fanadinana, ahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana sy mahomby.

Nitsidika ity ivotoerana teny amin'ny Direction Régionale de la Sécurité Publique Analamanga eny Ivato ity ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, ny 23 jolay 2026.

Noresahana manokana nandritra ny fitsidihana ny fizotry ny fanadinana Bakalorea 2026, ny fandrindrana ny asa fiarovana sy ny fitandroana ny filaminana, ary ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa sy ny Polisim-pirenena, hiantohana ny filaminana sy ny fahamarinan’ny fizotry ny fanadinana Bakalorea mialoha , mandritra ary aorian'ny fanadinana manerana an'i Madagasikara.