Anisan'ireo Oniversite manakaiky vahoaka vao nikarakara ny fanadinana Bakalorea voalohany ihany koa ny Oniversiten'Itasy
Tonga nijery sy nanara-maso ny fizotry ny fikarakarana ny fanadinana tao amin'ny Oniversite ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 23 jolay 2026. Taorian'izany dia nitsidika ny ivotoeram-panadinana tao amin'ny CEG Soavinandriana ka niara-namaha ny fonosana misy ny laza adina niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ny tenany.