Tafiditra ao anatin'ny Politikan'ny Fanjakana ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana, ka tanterahin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa izany amin'ny alalan'ireo Oniversite manakaiky vahoaka. Anisan'izany ny fanomezana andraikitra ireo Oniversite manakaiky vahoaka hikarakara ny fanadinana Bakalorea.
Tamin'ity taona 2026 ity no nikarakaran'ireo Ôfisin'ny Bakalorea vaovao eo anivon'ny Oniversite manakaiky vahoaka efatra, dia ny ao Itasy, Vakinankaratra, SAVA ary Analanjirofo, ny fanadinana Bakalorea amin'ny maha Oniversite mahaleotena azy.
Ho fanaraha-maso ny fizotry ny fanadinana, dia nitsidika ny Ôfisin'ny Bakalorea Antsirabe ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny 22 jolay 2026, mialohan’ny nitsidihany ireo ivotoeram-panadinana tao Betafo sy Antsirabe.
Milamina ary mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanatanterahana ny fanadinana Bakalorea ho an'ny Faritra Vakinankaratra. Nohamafisin'ny Minisitra hatrany fa miara-misalahy amin'ny fiantohana ny filaminana sy ny fahatomombanan'ny fanadinana Bakalorea manerana ny Nosy ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka sy ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
Nampahatsiahy ireo mpiadina ihany koa ny Minisitra haneho fahamatorana rehefa vita ny fanadinana, ka hahalala onony sy hitandro hatrany ny filaminana.