Mitohy ny fanaraha-maso akaiky ny fizotry ny fanadinana Bakalorea 2026. Ny 22 jolay 2026, dia nitsidika ny ivotoeram-panadinana ao amin'ny Lisea RAKOTOARISOA, Faritra Amoron'i Mania, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Nandritra ny fitsidihana dia nanokatra ny fonosana misy ny laza adina ny Minisitra ary nanara-maso ny fikarakarana sy ny fizotry ny fanadinana niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.

Nampahatsiahy ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fanajana hentitra ireo fitsipika mifehy ny fanadinam-panjakana izy sady nanentana ireo mpiadina sy ireo mpisehatra rehetra mba hitandro ny fahitsiana sy ny filaminana mandritra ny fanadinana hiantohana ny kalitaon'ny diplaoma. Nandritra izany ihany koa no nankaherezany sy nirariany fahombiazana ireo mpiadina amin'ny tohin'ny fanadinana.