Mpiadina 233 538 no miatrika ny fanadinana Bakalorea amin'ity taona ity, raha 222 330 tamin'ny taona 2025, ka nahitana fitomboana 5,04 %.

Tao amin'ny Lisea JJ Rabearivelo sy ny Lisea Teknika Mahamasina, no nanatanterahina tamin'ny fomba ofisialy ny fanokafana ny fonosana misy ny laza adina Bakalorea 2026, ny alatsinainy 20 jolay 2026, ho fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fangaraharana.

Nitarika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, notronin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak'asa.

Efa niasa vao maraina ireo bus maimaim-poana napetraky ny Fitondram-panjakana, mba hanamorana ny fivezivezen'ireo mpiadina sy hiantohana ny fahatongavana ara-potoana eny amin'ny ivotoeram-panadinana.

Marihina fa 10 taona ny zandriny indrindra amin'ireo mpiadina, hita ao amin'ny Centre Moramanga–Toamasina, ary 67 taona kosa ny zokiny indrindra, ao amin'ny Centre Imito – Fianarantsoa.

𝑀𝑖𝑟𝑎𝑟𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑜𝑚𝑏𝑖𝑎𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑣𝑜𝑘𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛'𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑚𝑝𝑖𝑎𝑑𝑖𝑛𝑎 𝐵𝑎𝑘𝑎𝑙𝑜𝑟𝑒𝑎 2026 𝑚𝑎𝑛𝑒𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑛'𝑖 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.