Ho fiantohana ny fizotran'ny fanadinana Bakalorea 2026 ao anatin'ny fitoniana, ny fahamarinana sy ny filaminana, dia nanao fandaminana manokana ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), tarihin'ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Tafiditra ao anatin'izany ny fanetsehana ny mpiasa eo anivon'ny Minisitera sy ireo avy amin'ny ivotoeram-pikarohana eo ambany fiahiany, izay ahitana ireo mpitantana isan-tsokajiny, ireo lehiben'ny sampan-draharaha, ary ireo mpiasa rehetra hanao ny asa fanaraha-maso (supervision) hentitra.
Araka izany, hielim-patrana any amin’ireo Faritra rehetra misy ivotoeram-panadinana manerana ny Nosy ireto mpanara-maso ireto mandritra ny fotoam-panadinana.