𝑀𝑖𝑓𝑎𝑛𝑜𝑚𝑒 𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑟𝑎-𝑡𝑠𝑖𝑎𝑛𝑠𝑎 (𝑀𝐸𝑆𝑈𝑃𝑅𝐸𝑆) 𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝐴𝑡𝑖𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑠𝑖𝑛𝑗𝑎𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎ℎ𝑒𝑓𝑎𝑛𝑎 (𝑀𝐼𝐷) 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑎𝑟𝑜𝑣𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑑𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎 𝐵𝑎𝑘𝑎𝑙𝑜𝑟𝑒𝑎 2026 𝑚𝑎𝑛𝑒𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑁𝑜𝑠𝑦.
Notanterahina ny 16 Jolay 2026 teto Fiadanana ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, sy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Velonjara Tiaray.
Fiaraha-miasa izay mamaritra ny rafitra amin'ny fandrindrana ny asa eny anivon'ny Faritra, ny fanetsehana ireo tompon'andraikitra eny ifotony ary ny fiantohana ny fiarovana ireo dingana rehetra amin’ny fanatanterahana ny fanadinana Bakalorea. Tafiditra ao anatin'izany ny fanamafisana ny andraikitry ny Prefe, ny Lehiben'ny Faritra, ny Lehiben'ny Distrika, ireo tompon'andraikitry ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary ny Organes Mixtes de Conception (OMC) amin'ny rafitra fiarovana mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana.
Izany dia maneho ny fifanomezan-tanan’ny Governemanta amin’ny fanatanterahana ny fanadinana Bakalorea, mba hahafahan’ny mpiadina miatrika ny fanadinana amim-pitoniana.