Laharam-pahamehana ny fiantohana ny fiatrehan'ny mpiadina ny fanadinana Bakalorea am-pilaminana sy am-pitoniana. Hamafisina ireo fepetra ahafahana miroso amin'izany. Dingana iray hisorohana ny ambana amin'izao herinandro mialoha ny fanombohan'ny fanadinana izao ny "veille numérique". Fepetra hiadina amin'ireo fanohitohinana ny fifantohan'ny mpiadina sy ny ray aman dreny. Misy ny fampielezana sy fanaparitahana vaovao diso toy ny filazana fa " efa misy ny laza adina " eny amin'ny tambajotran- tserasera. Voarara ary mahavoasazy ka tsy maintsy andraisana fepetra ireo olona minia manao izany fanakorontanana izany .
Entanina ihany koa ny olom-pirenena hitoroka raha mahita fizarana toy izany eny amin'ny "facebook" na "whatsapp", sns. Afaka mampandre ny Ministera na ny mpitandro filaminana avy hatrany.
Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa teny amin'ny Biraon'ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka teny Anosy moa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police ERICK Michel, ny 13 Jolay 2026. Fifanaraham-piaraha-miasa ahafahana mandavorary ny fanomanana mialoha,mandritra ary aorian'ny fiatrehana ny fanadinana Bakalorea 2026 manerana ny Nosy.