Notanterahina tao amin'ny CCI Ivato, ny 10 Jolay 2026, ny lanonana famoahana ny andiany ARITEFY, andiany faha-41 an'ny INSCAE. Nandritra ny lanonana ihany koa no nanolorana ny Medalin'ny asa ho an'ireo mpiasa mendrika eo anivon'ny INSCAE.
Nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, izay niarahaba ireo nahazo diplaoma sy nankasitraka ny ezaka nataon'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra.
Nohamafisin'ny Minisitra fa laharam-pahamehan'ny MESUPRES ny fanatsarana hatrany ny kalitaon'ny fampianarana ambaratonga ambony, mba hamolavolana olom-pirenena manana fahaiza-manao mifanaraka amin'ny filàn'ny fampandrosoana. Nanentana ireo nahazo diplaoma ihany koa izy mba hampihatra ny fahalalana sy ny fahaiza-manao norantovina, hanana toe-tsaina mpandraharaha ary ho mpamokatra asa, ho fandraisana anjara amin'ny fanarenana sy fampandrosoana an'i Madagasikara.