Tontosa ny 9 Jolay 2026 teto Fiadanana ny fivoriana ara-teknika voalohany niarahan’ny MESUPRES, ny « Agence Universitaire de la Francophonie (AUF), » ireo manampahaizana ary ny « Comité de pilotage, » ho fanomanana ny « Assises Nationales de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique. »
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny « Termes de Référence (TDR) », ny fomba fiasa ary ny fandrindrana ny dingana hanatanterahana ny fanadihadiana sy ny fifampidinihana nasionaly ny fihaonana. Tanjona ny hamolavola paikady sy tondrozotra vaovao ho an’ny fampandrosoana ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, mifototra amin’ny porofo ara-tsiansa sy mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana nasionaly.
Miara-manohana ity dingana stratejika ity ny AUF sy ny « Fonds Communs de l’Éducation (FCE »), miaraka amin’ny MESUPRES, mba hahazoana antoka fa handray anjara mavitrika amin’ny fanorenana politika nasionaly maharitra ny mpisehatra rehetra.
Notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala, ny fivoriana.