Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-15 taonan'ny IT University, dia notanterahina ny 9 Jolay 2026 tao amin'ny Espace Rose By-pass ny lanonana fanolorana diplaoma ho an'ny andiany TOHY (Licence) sy SOAMIAHY (Master). Ray mpiahy ity andiany farany ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Nambarany tamin’izany fa mendrika ny isaorana ireo Oniversite tsy miankina mandray anjara amin'ny fanomezana fampianarana tsara kalitao ary anisan’izany ny IT University. Nampahatsiahiviny ihany koa ny fisian'ny lalàna vaovao natao hanamafisana hatrany ny kalitaon'ny fampianarana ambaratonga ambony.
Nitso-drano ireo mpianatra izy, ary nirary azy ireo hahatratra ny tanjony. « Tsarovy fa ny fahaizana tsy ampiarahina amin'ny fahendrena dia tsy misy dikany. Ary ny fahendrena ambony indrindra dia ny finoana, ka tazomy mandrakariva ny finoanareo. »