Ho fanohanana ny fikarakarana ny fanadinana Bakalorea 2026, dia nanolotra solosaina miisa 400 ho an'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ny 08 Jolay 2026 teto Fiadanana. Ireo solosaina ireo dia hanampy amin'ny fampitaovana ny Ministera sy ireo Oniversitem-panjakana manerana ny Nosy.
Notanterahina nandritra izany ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, Minisitry ny MESUPRES, sy Andriamatoa ANDRIAMAMPIADANA Mahefa, Minisitry ny MNDPT, hanamafisana ny fiaraha-mientana eo amin'ny Ministera roa tonta.