« 𝑀𝑖𝑙𝑎 𝑚𝑖𝑓𝑎𝑛𝑡𝑜𝑘𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑒𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑜𝑚𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑑𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎 𝐵𝑎𝑘𝑎𝑙𝑜𝑟𝑒𝑎 𝑖𝑠𝑖𝑘𝑎 »

Io no hafatra nasongadin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa nandritra ny fananganan-tsaina notanterahina ny 06 Jolay 2026 teto Fiadanana.

Nohamafisiny fa laharam-pahamehana amin'izao fotoana izao ny fanomanana ny fanadinana Bakalorea. Noho izany dia nantsoiny ny rehetra handray anjara sy hifantoka amin'ny fanatanterahana ireo asa rehetra mifandraika amin'izany, mba hiantohana ny fahombiazan'ny fanadinana.