Taorian'ny fitarainana nataon'ireo mpianatra ao amin'ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo (ESPA) ao Vontovorona dia nidina ifotony nihaona sy nifampiresaka tamin'izy ireo ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 4 Jolay 2026. Niaraka taminy tamin'izany ny solontenan'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny ekipan'ny JIRAMA ary ny avy ao amin'ny CROU-A.

Nandritra ny fifampiresahana dia nihaino mivantana ireo Filohan'ny mpianatra ny Minisitra. Nambaran'ireo mpianatra ny olana sedrainy sy ny fitakiany, ary niaraha-nandinika ny vahaolana azo tanterahina. Nanaiky ny lamina nifanarahana ireo solontenan'ny mpianatra ary hitondra izany eny amin'ireo mpianatra namany.

Anisan'ireo fanapahan-kevitra noraisina ny hanafainganana ny famerenana sy fanatsarana ny famatsian-jiro sy rano, ny fanamboarana ireo toeram-pidiovana, ny fanarenana ireo trano simba, ny fanamafisana ny tamboho manodidina ny Sekoly, ny fametrahana mpiambina ary ny fandrindrana ny fidirana sy ny fivoahana ao amin'ny toeram-pianarana.