Taorian’ny fametrahana fanontaniana nataon’ireo Solombavambahoaka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ny 2 Jolay 2026, dia notanterahina ny 3 Jolay 2026 tao amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny famaliana izany, notarihin’ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin.

Ho an’ny sehatry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, dia teboka telo lehibe no nitondran’ny Ministra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, fanazavana.

𝟏- 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐯𝐨𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚

Nohazavainy fa misy dingana sy fepetra arahina amin’ny fanokafana ivotoeram-panadinana vaovao. Anisan’izany ny fanaovana fangatahana miaraka amin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy tompon’andraikitry ny Sekoly eny an-toerana, ary ny fanamarinana ireo fepetra takiana, toy ny efitrano sy dabilio mifanaraka amin’ny isan’ny mpiadina. Nanentana ireo Solombavambahoaka ny Minisitra mba hanatanteraka ireo fangatahana ireo.

𝟐- 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞

Anisan’ireo fepetra fototra takiana ny fisian’ny mpampianatra mahafeno fepetra, ny fahazoan-dalana mampiofana (Habilitation), ary ny fotodrafitrasa handraisana ny Oniversite. Raha misy mpianatra sy mpampianatra dia vonona hanohana amin’ny fananganana fotodrafitrasa ny Minisitera. Ho an’ireo efa manana trano nefa mbola tsy manana mpampianatra kosa dia nanentana ireo Solombavambahoaka hanatona ireo mpampianatra vonona hiasa any an-toerana.

𝟑- 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲

Nambaran’ny Minisitra fa maro ireo lalàna nolaniana tao anatin’ny fito volana farany teo anivon’ny Antenimierampirenena, ary «Décret» natolotry ny Minisitera izay natao hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy hanamafisana ny sehatry ny fikarohana ara-tsiansa.

Nandritra ny famaliana ireo fanontaniana dia nangataka ihany koa ny hanohanana ny fangatahan'ny Minisitera amin'ny hampitomboana ny “poste budgétaire” ao anatin’ny “Loi de Finances Initiale” (LFI) ny Minisitra, mba hamaliana ny tsy fahampian’ny mpampianatra eny amin’ny Oniversite.

Marihana fa ny 2 jolay 2026 no fotoana nametrahan'ireo Solombavambahoaka fanontaniana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ary nandritra izany ihany koa no nanoloran'ny Praiminisitra ny tatitra momba ireo asa vita sy ny fandrosoana mifanaraka amin’ireo laharam-pahamehan’ny Firenena.