Notanterahina teto Fiadanana, ny 30 Jona 2026, ny « Conférence des Présidents des Universités élargie », notarihin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy. Natao nivantana sy nampitain-davitra ny fivoriana, niarahana tamin'ireo Filohan'ny Oniversite sy Oniversite manakaiky vahoaka, Tale Jeneralin'ny IST ary ireo tompon'andraikitra avy amin'ny Sekoly Doktoraly.
𝐋𝐨𝐡𝐚𝐡𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐧𝐨𝐫𝐞𝐬𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 :
𝐕𝐚𝐭𝐬𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚
Nampahatsiahivina ireo Oniversite rehetra ny maha zava-dehibe ny fandefasana lisitra marina sy voamarina tsara, satria miteraka olana amin'ny fikarakarana ny vatsim-pianarana ny tsy fahatomombanan'ireo antontan-taratasy voaray.
𝐅𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚
Eo am-panomanana ny « manuel de procédure » hamaritana mazava ny andraikitry ny tsirairay ny Ministera, araka ny toromarika nomen'ny Praiminisitra. Mandroso ihany koa ny fanomanana ny laza adina sy ireo fikarakarana rehetra, ary hisy fanampiana solosaina ho an'ireo Oniversite izay nangataka izany.
𝐎𝐫𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐧𝐲 (𝐇𝐂)
Mbola maro ireo Oniversite tsy nahafeno na mbola mila manitsy ny antontan-taratasy momba ny ora fanampiny ho an'ny taom-pianarana 2021-2022. Nohamafisina fa tsy afaka miroso amin'ny fandoavana ny Ministera raha tsy feno ireo antontan-taratasy takiana.
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐝𝐢𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐃𝐨𝐤𝐭𝐨𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐇𝐃𝐑
Ho fanatsarana ny kalitaon’ny diplaoma, dia efa nivoaka sy nahazo laharana ny rijan-teny vaovao mifehy ny Sekoly Doktoraly sy ny HDR. Eo am-panatanterahana ihany koa ny "Arrêté" momba ny CRFD (Conseil de Référence de la Formation Doctorale), rafitra hiantoka ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny kalitaon’ny Sekoly Doktoraly sy ny diplaoma avoakany. Hiverina tsy ho ela ny fahafahana manao fanohanan-kevitra amin’ny Doctorat sy HDR. Ampiharina avy hatrany ireo fepetra vaovao ho an’ireo eo am-panomanana izany, ary omena enim-bolana ny rehetra hampifanaraka ny asany amin’ireo didim-panjakana vaovao.
𝐔𝐧𝐢𝐏𝐎𝐃
Nahazo fankatoavana ny fananganana UNIPOD amin’ireo Oniversite ka hisy dimy fanampiny manerana ny Nosy. Hiorina miaraka amin'izany ihany koa ny Ivotoeram-pikotrehana ara-teknolojia (Maison d'Incubation pour la Technologie).
« 𝐉𝐨𝐮𝐫𝐧𝐞́𝐞 𝐏𝐚𝐲𝐬 » 𝐚𝐧𝐲 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚
Hotanterahina ny 2 Novambra 2026 any Frantsa ny « Journée Pays », hetsika hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny Oniversite Malagasy sy Frantsay. Oniversitem-panjakana 8 ka hatramin'ny 10 no handray anjara, ary hisy fihaonana matihanina 15 hatramin'ny 20 isan'andro. Hisy sehatra fisoratana anarana hapetraky ny Masoivoho Frantsay ho an'ireo mpandray anjara.
𝐒𝐚𝐦𝐢𝐡𝐚𝐟𝐚
Nampahafantarina ihany koa ireo didim-panjakana sy didy aman-dalàna vaovao natao hanatsarana ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ka anisan'izany :
- ny Décret momba ny fanamafisana ny fahafahan'ny nahazo diplaoma miditra amin'ny tontolon'ny asa (employabilité) ;
- ny Arrêté momba ny « assurance qualité »;
- ny Décret manavao ny rafitra fandaminana (organigramme) eto amin'ny MESUPRES. Anisany fanatsarana natao ny fametrahana sampan-draharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany isaky ny Oniversite, sy « Centre Régional des Œuvres Universitaires » (CROU) isaky ny Oniversite, izay harindran'ny « Coordination Nationale des Œuvres Universitaires » (CNOU).
- ary ny Décret mifehy ny « Formation Ouverte et À Distance » (FOAD).
𝐀𝐳𝐨 𝐣𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐃𝐞́𝐜𝐫𝐞𝐭𝐬 𝐬𝐲 𝐀𝐫𝐫𝐞𝐭𝐞́𝐬 𝐞𝐟𝐚 𝐧𝐢𝐯𝐨𝐚𝐤𝐚