Tanterahina ny 30 jona sy 1 jolay 2026, eny amin'ny Lapan'Andafiavaratra, Andohalo, ny "Rencontre Géopolitique des Pays de l'Océan Indien", fihaonambe iraisam-pirenena momba ny jeopolitika karakarain’ny Institut Diplomatique de Paris (IDP), eo ambany fiahian’ny Praiminisitra, RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin. Nanatrika ny fanokafana ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Tanjona amin'ity fihaonana ity ny hampivondrona ireo mpandray anjara avy amin'ireo firenena 19 manodidina ny Ranomasimbe Indiana, hifanakalo hevitra sy hamolavola fomba fijery iraisana ho fampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny fiaraha-miasa ao amin'ny faritra. Hifantohan'ny adihevitra ihany koa ny anjara toeran'ny Ranomasimbe Indiana eo anoloan'ny fifandanjan-kery vaovao miseho maneran-tany.
Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny vela-kevitra ny Tale misahana ny Fikarohana sy ny Haivao eto amin'ny MESUPRES, Pr DOMINIQUE Volaravo Josie.