Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Lehiben’ny Misionan’ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Indonezia eto Madagasikara, Andriamatoa Lanang Seputro, ny 30 Jona 2026, teto Fiadanana.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta Indonezianina eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony ny dinika.
Anisan’ireo lohahevitra nodinihina ny fanitarana ny fahafahan’ny Malagasy misitraka vatsim-pianarana any Indonezia. Nohamafisina ihany koa ny finiavana hanohy sy hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa efa misy eo amin’ny Firenena roa tonta, ho fampiroboroboana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.