Matso lehibe no nanamarihana ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy, teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Ho fanehoana firaisankina sy fitiavan-tanindrazana, dia niara-nientana nanatrika izany ny fianakaviamben'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), notarihin'i Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.