Manohana sy mampiroborobo hatrany ny fikarohana ara-tsiansa sy ny haivao ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), amin'ny fanomezana lanja ireo mpikaroka Malagasy sy ny vokatra entin'izy ireo ho fampandrosoana ny Firenena.
Ho fankasitrahana ny zava-bitany, dia noraisin'Atoa Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny 23 jona 2026 teto Fiadanana ny Dr RASOAMANANA Radoniaina Andriantsiresy, mpampianatra-mpikaroka avy amin'ny ESPA sady Talen'ny Rafitra ara-informatika sy ny teknolojia vaovao eto amin’ny MESUPRES, taorian'ny nahazoany sy ny ekipa nisy azy ny loka voalohany tamin'ny Hackathon DIU E-Santé 2026 izay natao tany Abidjan, Côte d'Ivoire.
Nahazo izany loka izany ny tenany sy ny ekipany noho ny famoronana vahaolana ara-teknolojia maranin-tsaina hanatsarana ny fanaraha-maso ny fitondrana vohoka sy ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ka manampy amin'ny fisorohana mialoha ny loza mety hitranga sy ny fanatsarana ny fikarakarana ara-pahasalamana.
Niarahaba sy nankasitraka ny ezaka sy ny fahombiazana nasehony ny Minisitra, ary nirary fahombiazana hatrany amin'ny fikarohana sy ny haivao, mba hampisongadina hatrany ny voninahitr'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Notanterahina ny 15 ka hatramin’ny 18 Jona 2026 ity fifaninanana ity izay nokarakarain'ny "Digit Santé Mali" izay nampivondrona mpandray anjara miisa 60 avy amin'ny Firenena Afrikanina 17, ahitana mpitsabo, farmasiana, injeniera, informatisianina, sosiôlôgy ary matihanina amin'ny sehatra maro samihafa.