Notanterahina teny amin'ny UniPod Tsimbazaza, ny 22 jona 2026, ny fanolorana ny zava-bitan'ny sehatry ny Fikarohana Ara-tsiansa nandritra ny enim-bolana voalohany tamin'ny taona 2026, notarihin'ny Fitaleavana Ankapoben'ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Nambaran'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa fa andry lehibe amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ny Fikarohana Ara-tsiansa. Anisan'ireo zava-bita ny famolavolana ny sarintanin'ny karazam-bary eto Madagasikara ho fampandrosoana ny fambolena, ny fametrahana ny UniPod hanohanana ny haivao sy ny fandraharahana, ny fanaovana tombana sy fijerena ny zava-misy tamin’ireo ivotoeram-pikarohana 9 eto amin’ny MESUPRES, ny fandrafetana boky mampivondrona ireo Sekoly Doktoraly manerana an'i Madagasikara ary ny famoahana ny laharana voalohany amin'ny “Revue Scientifique de Madagascar”, iarahana amin'ny CIDST.
Ho an'ny enimbolana faharoa kosa dia hotohizana ny fampiharana ny lalàna vaovao momba ny fikarohana sy ny haivao, ny fanomanana ireo didy fampiharana azy, ny fametrahana ny laboratoara BSL3 voalohany eo anivon'ny Fanjakana, ny fanamafisana ny fitaovana hanaraha-maso sy hampivoarana ny rafitra fikarohana ary ny fametrahana "plateforme" ahitana ny mombamomba ireo mpikaroka manerana an’i Madagasikara sy ny fikarohana ataony ary azo atao ny manara-maso izany. Nohatsaraina ny rafitra eo amin’ny toera-pikarohana.
Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy tamin'ity fotoana ity ihany koa ny laharana voalohany amin'ny “Revue Scientifique de Madagascar”.Hita ao amin'ny tranonkalan'ny MESUPRES avokoa ireo vokatra. Tsidiho ny rohy : https://www.mesupres.gov.mg/journaldgrs/journal_rsm