Nandray anjara tamin’ny fivoriana ara-tsiansa nokarakarain’ny Akademia Nasionalin’ny Mpitsabo eto Madagasikara ny mpikaroka sy ny mpampianatra mpikaroka, ny 19 jona 2026, tao amin’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza. Niara- nisalahy nanatanteraka ny hetsika ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, tamin'ny alalan'ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RATSIMBASOA Claude Arsène. Nifantoka tamin’ny lohahevitra "Maladies Emergentes et Réémergentes" izany, ka niresahana ireo areti-mifindra toy ny MPOX, Ebola ary Hantavirus.

Nandritra ny fotoana ihany koa dia nanolotra fitaovana hanamafisana ny asan’ny Akademia ny OMS, ary naseho ny vaovao momba ny fiparitahan’ny aretina MPOX eto Madagasikara.

Tanjona ny hanentanana ny rehetra momba ny fisorohana ny areti-mifindra sy ny fandraisana andraikitra hisakanana ny fielezan’izy ireny.