Ao anatin'ny Politikam-panjakana izay tanterahin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny fampiroboroboana ireo Oniversite manakaiky vahoaka mba hampihenana ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ary hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambaratonga ambony.

Araka izany nomena ny sata maha Oniversite mahaleotena azy tanteraka ny Oniversiten’Androna ao amin'ny Distrikan'i Mandritsara. Nitokana izany tany an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny 18 Jona 2026.

Mifanojo tanteraka amin'ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny UFRSS (Unité de Formation et de Recherche en Sciences Sociales), izay antsoina hoe Oniversiten'Androna ankehitriny ity lanonam-pitokanana ity.

Nandritra izany ihany koa no natolotra tamin’ny fomba ôfisialy ny Filoha mpisolo toerana hitantana ny Oniversiten'Androna, Dr BENAIVO Boulevin sy ny famoahana ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana “Licence”, andiany SOHIHY.

Ankoatra izany, solosaina miisa 50 no natolotry ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) ho an'ny Oniversiten'Androna. Ireo fitaovana ireo dia hanamora ny fianarana sy ny fikarohana ara-tsiansa, ary hanamafy ny fanohanana ny asa fampianarana sy fikarohana eo anivon'ny Oniversite.