Ho fanatanterahana ny fanadinana Bakalorea 2026 ao anatin'ny filaminana sy mangarahara, dia nisy fivoriana notarihin'ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin niaraka tamin'ireo Ministera sy sampandraharaha rehetra voakasika, izay nahitana ny Ministeran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny 18 Jona 2026.
Anisan'ireo fepetra noraisina ny fametrahana boky mirakitra ny fomba fiasa (Manuel de procédure), ny fanamafisana ny fiarovana sy ny filaminana, ny fametrahana fakan-tsary fanaraha-maso (caméra de surveillance) mandritra ny "conclave", ny fiantohana ny famatsiana herinaratra ary ny fanaraha-maso ireo fanaparitahana tsaho mikasika ny fivoahan'ny laza adina.
Ireo fepetra ireo dia natao hiantohana ny fahatomombanan'ny fanadinana sy ny fitovian-jo ho an'ireo mpiadina manerana ny Nosy.