𝑀𝑖𝑠𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑠𝑒ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑚-𝑝𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑀𝑎𝑙𝑎𝑔𝑎𝑠𝑦

Voafidy ho Filoha Lefitra fahatelo ao amin’ny « Conférence des Recteurs et Présidents des Universités d’Afrique Francophone et de l’Océan Indien » (CRUFAOCI) i Dr Veriza Francis, Filohan’ny Oniversiten’i Toliara, nandritra ny Fivoriambe notanterahina tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny 10 ka hatramin’ny 12 jona 2026. Ity fifidianana ity dia manamarika ny fitomboan’ny fahitana sy ny fankatoavana ny ezaka fanatsarana kalitao tanterahin’ireo andrim-pampianarana ambony eto Madagasikara, mifanaraka amin’ny fanavaozana sy ny fanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana entin’ny MESupReS.

Ny CRUFAOCI dia tambajotra mampivondrona ireo Filoha sy Rektoran’ny Oniversite avy amin’ireo Firenena miteny frantsay aty Afrika sy ny Ranomasimbe Indianina ary voatendry hampiantrano ity Fivoriambe ity ihany koa i Madagasikara amin’ny taona 2027.

Ny MESUPRES dia miarahaba sy mirary fahombiazana feno ho azy amin’ny fanatanterahana ny adidy vaovao sy amin’ny fampisandratana hatrany ny voninahitr’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.