« 𝐹𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛-𝑘𝑖𝑛𝑎 𝑎𝑜 𝑎𝑛𝑎𝑡𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑠𝑎𝑚𝑖ℎ𝑎𝑓𝑎𝑛𝑎 ».

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny Grand Amphi EGS, ny 15 jona 2026, ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversite eto Antananarivo.

Nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin izay nanamafy fa fototry ny fahombiazan’ny politika rehetra ho fampandrosoana an’i Madagasikara ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Notsindriany fa vonona ny hihaino sy hiara-hidinika amin’ny Oniversite ny Fitondram-panjakana mba hamaliana ny filàna fototra eo amin’ity sehatra ity. Nambarany ihany koa fa olomangan’ny Firenena ny mpikaroka mpampianatra sy ny mpampianatra mpikaroka, ary anisan'ny tetikasa goavana hotanterahina ny fananganana “campus universitaire”.

Nasongadin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, fa ny Oniversite eto Antananarivo izay Oniversite voalohany teto Madagasikara dia efa namolavola olo-mana-kaja maro nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny Firenena. Tetsy ankilany, nankasitraka ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, indrindra amin’ny lafiny fampandrosoana sy fitsinjovana ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny mpandraharaha.

Hetsika ara-tsiansa, ara-kolontsaina ary ara-panatanjahantena maro no hanamarika ity fankalazana ity mandritra ny herinandro.