Ho fanamafisana ny fampandrosoana nomerika eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana eto Madagasikara dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa haharitra roa taona ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny Orange Madagascar, ny 15 jona 2026, teto Fiadanana.

Mifantoka amin’ny laharam-pahamehana efatra ity fiaraha-miasa ity, dia ny fanovàna nomerika ny andrim-pampianarana ambony, ny fampandrosoana ny fikarohana momba ny angondrakitra sy ny faharanitan-tsaina artifisialy, ny fanohanana ny fanavaozana sy ny fandraharahana, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao nomerika.

Ao anatin’izany, ny MESUPRES dia hiandraikitra ny fandrindrana sy ny fanamorana ny fametrahana fotodrafitrasa eny amin’ny Oniversite, indrindra ireo “Orange Digital Centers”. Ny Orange Madagascar kosa dia hanohana amin’ny alalan’ny fametrahana aterineto haingam-pandeha, fanomezana fitaovana nomerika, fiofanana ahazoana mari-pankasitrahana, ary fanohanana ireo tetikasa fandraharahan’ny tanora.