Notanterahina teny amin’ny CNARP ny 12 jona 2026 ny famelabelarana ara-teknika an’ireo vokatra sy lesona azo tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa « Préparation aux Pandémies et Services de Santé de Base » (PPSB), tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena.
Ny Integrated Quality Laboratory Services (IQLS) no nampahafantatra ireo vokatra azo tamin’ny fanohanana ara-teknika nataony ho an’ireo laboratoara “One Health” eo amin’ny sehatry ny fitantanana kalitao, ny métrologie, ny biosécurité, ny biosûreté ary ny fikojakojana fitaovana laboratoara.
Naharitra 10 volana teo ho eo ny IQLS no niara-niasa tamin’ireo laboratoara dimy dia ny CNARP, CNRE, IMVAVET, LNDV ary LA2M, ka nahafahana nanamafy ny fahaiza-manao sy ny rafitra mifehy ny kalitao ao anatin’ireo laboratoara. Zava-dehibe izany satria ny kalitao no antoka ahazoana valim-panadihadiana sy valim-pikarohana marina azo itokisana ary mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
Nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay nanamafy fa ny kalitao no antoky ny fahamendrehan’ny fikarohana ara-tsiansa. Rehefa manaraka kalitao ny laboratoara sy ny fikarohana dia mitombo ny fiantraikan’ny vokatra azo eo amin’ny fahasalaman’ny mponina sy ny fampandrosoana ny firenena. Izany no vina entin’ny MESUPRES: fikarohana mitondra vahaolana azo tsapain-tanana ho an'ny vahoaka.
Nampahafantarina nandritra ny fotoana ihany koa ireo lesona noraisina sy ireo vina ho fanamafisana maharitra ny rafitra laboratoara One Health eto Madagasikara, ho fanohanana ny fahasalam-bahoaka sy ny fampandrosoana ny fikarohana ara-tsiansa.