Tonga nanatrika ny famoahana ireo mpianatra ao amin’ny Fakiolten’ny Lalàna sy Siansa Politika (FDSP), Oniversiten’Antananarivo, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny 12 Jona 2026. Niarahaba sy nitso-drano ireo nahazo diplaoma izy ary namporisika azy ireo hanohy fianarana sy hampiasa ny fahalalana ho fampandrosoana ny firenena.

Nahitana mpianatra 137 (RANDRAMIHARO M1) sy 71 (MERATSE M2) ity andiany ity. Nisaorany ihany koa ireo mpampianatra sy ray aman-dreny tamin’ny fanohanana sy ny ezaka fanabeazana.

Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, dia nanolotra solosaina 10, solosaina entin-tanana 5, tora-jiro 1, ary vata fitahirizana herinaratra 3 tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana ny Minisitra.