Notanterahina teto Fiadanana ny 12 jona 2026 ny « Conférence des Présidents des Universités », notarihin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy. Nanatrika izany mivantana sy nampitain-davitra ireo Filohan’ny Oniversite sy Oniversite manakaiky vahoaka manerana ny Nosy ary ireo Tale Jeneralin’ny ISTs.
Noresahana ny fampiharana ny fepetra momba ny fanafoanana diplaoma ho an’ireo tranga voaporofo fa nahazo izany tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Hisy ny famolavolana fomba fiasa mazava manoloana izany.
Nodinihina ihany koa ny momba ny taom-pianarana eny amin’ny Oniversite, ny fikarakarana ny fanadinana Bakalorea, indrindra ho an’ireo Oniversite manakaiky vahoaka mandray anjara amin’ny fandrindrana sy fikarakarana.
Misy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministera sy ireo oniversite manerana ny Nosy, ho fanatsarana ny kalitao sy ny fitantanana ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara.