Tanterahina ny 11 sy 12 jona 2026, eny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny atrikasa "Revue Sectorielle Conjointe de l’Éducation", izay atao mivantana sy ampitain-davitra. Mandray anjara amin’izany ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana manerana ny faritra 23, ahitana ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ary ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny lanonana, ny 11 jona 2026, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Tanjon’ny atrikasa ny handinihana ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fanofanana ary ny fampianarana eto Madagasikara, mba hahafahana mamantatra ireo zava-bita sy ireo fanamby mbola atrehina. Lohahevitra telo no dinihina dia ny fivoaran’ny sehatry ny fanabeazana teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2025, ny LOSEM, izay hijerena ireo lalàna sy fanavaozana eo amin’ny rafi-panabeazana ary ny mikasika ny famatsiam-bola natokana ho an’ny sehatry ny fanabeazana.
Ireo fehin-kevitra sy soso-kevitra avy amin’ireo mpandray anjara dia haroso mandritra ny Fikaonan-doham-pirenena ho an’ny Fanavaozana ny Fanabeazana.
Mandrindra ity atrikasa ity ny Cellule de Coordination Sectorielle de l'éducation (CELCO).