Miroso amin’ny fanavaozana ny fomba fitantanana sy fikarakarana antontan-taratasy ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra fitantanana nomerika sy fanaraha-maso ny fivoaran'ny antotan-taratasy karakaraina eto amin'ny MESUPRES.

Nampahafantatra izany tamin'ireo tompon'andraikitra voakasika teto Fiadanana ny “Direction des Systèmes d’Information et des Nouvelles Technologies” (DSINT) izay misahana ny fanatanterahana ity tetikasa ity, ny 10 jona 2026.

Rehefa tafapetraka ny rafitra dia ho afaka hanara-maso ny fivoaran’ny taratasiny amin’ny alalan’ny sehatra an-tserasera ireo manan-draharaha, ka tsy voatery hanatona mivantana ny MESUPRES intsony. Tombony lehibe ho an'ireo any amin'ny faritany izy ity.

Vinavinaina ho tafapetraka sy hiasa tanteraka ao anatin’ny volana Aogositra na Septambra 2026 ity rafitra ity.