Politikan’ny Fitondram-panjakana ny mametraka Oniversite manakaiky ny vahoaka. Ankoatr’ireo Oniversite enina (6) lehibe isaky ny faritany dia Faritra 11 no manana Oniversite amin’izao fotoana izao. Laharam-pahamehana ny hampitomboana ny fanohanana ho azy ireo, indrindra eo amin’ny kalitaon’ny fampianarana, ny fotodrafitrasa ary ny fanomanana ny mpianatra hiatrika ny tsenan’ny asa.

Ho fanatanterahana izany, notontosaina teto Fiadanana ny 9 jona 2026 ny “Atelier de Cartographie et de développement des Partenariats universitaires”. Nanokatra izany tamin’ny fomba ôfisialy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Ity atrikasa ity dia nampivondrona ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ireo solontenan’ny Oniversite ary ireo ivotoeram-pikarohana manerana ny Nosy. Ny tanjona dia ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hampifanarahana ny fanohanan'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny laharam-pahamehan’ny MESUPRES. Nandritra izany no nampahafantaran'ireo Oniversite sy ivotoeram-pikarohana ny zava-misy sy ny filàna laharam-pahamehana ao aminy, mba hahafahan'ireo mpiara-miombon'antoka mandrindra ny fanohanany.