Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ôfisialy tany Frantsa ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, nanomboka ny 01 ka hatramin’ny 06 jona 2026.

Fitsidihana natao hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka any Frantsa, mba hifanaraka amin’ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana eto Madagasikara.

Tompon’andraikitra ambony maro no nihaonana nandritra izany, isan’izany ny Minisitra frantsay misahana ny Fampianarana Ambony, ny Fikarohana ary ny Habaka, ny Minisitry ny Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, ny Minisitra Delege miandraikitra ny Frankôfônia, ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ary ny Frantsay monina any ivelany, ny Rektoran’ny AUF, ary ireo Tale Jeneraly avy amin’ireo sampan-draharaha sy ivotoeram-pikarohana mpiara-miombon’antoka, toy ny AFD, CIRAD, IRD, Campus France, CNOUS-CROUS Paris ary ny Institut Pasteur.

Maro ny vokatra azo, na eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony, na eo amin’ny fikarohana ara-tsiansa, indrindra amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny mpianatra eny anivon’ireo toeram-pampianarana ambony.

Nisongadina tamin’izany ny tetikasa SAVICA, mitentina 25 tapitrisa euros, izay hanatsarana ny fotodrafitrasa fonenan’ny mpianatra, ny kalitaon’ny fampianarana ary ny fiaraha-miombon’antoka iraisam-pirenena.

Io ihany koa no fotoana manokana nahafahan’Andriamatoa Minisitra nitsidika sy nijery vahaolana maharitra momba ny olana mahakasika ny toeram-ponenan’ireo mpianatra malagasy any Frantsa, tao Cachan sy Arago.