Mandray anjara amin’ny “Regional Meeting on Radiation Safety Infrastructure in Africa”, tanterahina any Nairobi, Kenya, ny 1 ka hatramin’ny 5 jona 2026, ny delegasiona Malagasy tarihin’ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), Pr RAHERIMANDIMBY Marson, miaraka amin’ny Tale Jeneralin’ny Ivotoerana Nasionaly momba ny Siansa sy Tekinika Nokleary (INSTN) sy ny Tale misahana ny Fiarovana amin'ny Taratra ao amin'ny INSTN.

Tanjona amin’ny fihaonana ny hanamafisana ny rafitra sy ny lalàna mifehy ny teknika sy ny angovo nokleary, mba hahafahana mampiasa izany ho fitaovana enti-mampandroso ny firenena sy manatsara ny fiainan’ny mponina.

Firenena afrikanina maro no tonga manotrona ity fihaonana lehibe karakarain’ny Agence Internationale de l’Energie Atomique (AIEA) sy ny Governemanta Kenyan ity, ary mavitrika amin’ny fifanakalozana sy fizarana traikefa ihany koa ireo tompon’andraikitra, mpampianatra ary mpikaroka Malagasy.