𝑇𝑠𝑦 𝑎𝑓𝑎𝑘𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑒ℎ𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑎 𝑚𝑖𝑙𝑎 𝑓𝑖𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎-𝑚𝑖𝑎𝑠𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑓𝑎𝑚𝑒𝑛𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑠𝑒ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎 : 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎, 𝑛𝑦 𝑘𝑜𝑙𝑜𝑛𝑡𝑠𝑎𝑖𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑡𝑎𝑛𝑗𝑎ℎ𝑎𝑛𝑡𝑒𝑛𝑎.

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny 05 jona 2026 teny amin’ny Parvis Analakely ny hetsika “𝐅𝐈𝐊𝐀𝐑𝐎𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐈𝐊𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀”. Nisolo tena ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RATSIMBASOA Claude Arsène.

Voka-pikarohana maro, famelabelaran-kevitra ara-tsiansa, fampirantiana sy tranoheva, Basket 3x3, hetsika ara-kolontsaina sy fifaninanana dihy, no aseho eny an-toerana mandritra ny roa andro, ny 5 sy 6 jona 2026. Maherin’ny 90 ireo mpandray anjara avy amin’ny Oniversite ao Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Maintirano. Mandray anjara mavitrika ihany koa ireo ivotoeram-pampianarana sy fikarohana eo ambany fiahian’ny MESUPRES, toy ny CIDST, FOFIFA, PBZT, CNELA ary CNTEMAD. Misy ny fifampizarana traikefa sy hevitra eo amin’ny samy mpianatra mba hampivoarana ny fikarohana ho lasa asa sy orinasa. Tombanana hahatratra 20 000 ny mpitsidika.

Ao anatin’ny fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Tontolo Iainana no anatanterahana ny hetsika, iarahan’ny MESUPRES, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena tarihin’ny Dr ANDRIAMANDIMBY Souleman Ibrahim, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, mikarakara.