Nihaona tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF) ny 3 jona 2026. Niaraka taminy tamin’izany ny delegasiona ahitana solontena avy ao amin’ny Minisitera, ireo Filohan’ny Oniversite (Antananarivo, Fianarantsoa, Toliara ary Androy), ary koa ny Mpanolotsaina lefitra misahana ny fiaraha-miasa sy ny hetsika ara-kolontsaina eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara.
Nodinihina nandritra ny fihaonana ireo tetikasa efa mandeha sy ireo laharam-pahamehana ho an’ny fiaraha-miasa ho avy. Anisan’izany ny fikarakarana ny fihaonambe nasionaly momba ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Nisongadina ihany koa ny fanatsarana ny fahafahan’ny mpianatra mahita asa, ny fanokafana bebe kokoa ny Oniversite amin’ny tontolo sosialy sy ara-toekarena, ny fametrahana rafitra nasionaly miantoka ny kalitaon’ny fampianarana, ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fikarohana ary ny fanamafisana ny fiarovana sy fanamarinana ny diplaoma.
Photos: Agence Universitaire de la Francophonie