"𝐹𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑛'𝑖 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎."

Ny 1 jona 2026, natomboka tamin’ny Fananganan-Tsaina iombonana, teny amin’ny Parvis Analakely, ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy. Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ireo Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika niaraka tamin’ireo mpikambana mandrafitra ny Governemanta notarihin'ny Praiminisitra, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin ary olo-manan-kaja maro.

Niara-nientana tamin’izany ny mpiara-miasa eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Nisongadina nandritra ny fankalazana ny fanamafisana ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny fanoloran-tenan'ny tsirairay ho amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Mifanindry an-dalana amin'izao fankalazana izao ihany koa ny iray volana anandratana ny Teny Malagasy.