Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny 1 jona 2026, ny fanokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny iray volana anandratana ny Teny Malagasy, izay mitondra ny lohahevitra “Teny Malagasy : manavao, mampiray antsika”.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, izay nanasongadina fa zava-dehibe amin’ny Fitondram-panjakana ny fanandratana sy fampiasana ny teny Malagasy.
Nanotrona ny lanonana ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin’ny Filohan’ny Akademia Malagasy, Pr RABENORO Irène izay nanasongadina ihany koa ny anjara toerana lehibe sahanin’ny Akademia Malagasy amin’ny fikarohana, ny famoronana voambolana ary ny fampiroboroboana ny teny Malagasy.