Notanterahina teny amin’ny ESPA Vontovorona, ny 29 Mey 2026, ny fanokanana ny "Photomètre solaire CIMEL CE318 voalohany eto Madagasikara". Fitaovana ampiasaina ao amin’ny lalam-piofanana Météorologie sy Hydrologie , manampy amin’ny fikarohana momba ny atmosfera, ny faminavinana ny toetrandro, ny fitaterana an’habakabaka ary ny fanaraha-maso ny tontolo iainana.
Nanotrona izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Oniversiten’i Lille any Frantsa no nahazoana ny fitaovana, izay tafiditra ao anatin’ny tambajotra iraisam-pirenena PHOTONS/AERONET. Nisy ny fampisehoana nataon’ireo mpianatra momba ireo angon-drakitra voalohany azo teto Madagasikara tamin’ity fitaovana ity. Nanentana ny mpianatra kosa ny Minisitra hikajy sy hitandro tsara izany ho an’ny taranaka manaraka.