Nitsidika ara-pomba-panajana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 28 Mey 2026, Pr Patricia Wright manam-pahaizana manokana amin'ny sehatry ny primatologie sy anthropologie.

Taorian'izany dia nisy ny famelabelaran-kevitra sy fifampizarana traikefa nataony, niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny ivotoeram-pikarohana, notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RATSIMBASOA Claude Arsène. Nifantoka tamin’ny fikarohana ara-tsiansa, ny fiarovana ny lémuriens ary ny biodiversité ny lohahevitra noresahina.

Zava-dehibe ho an’ny MESUPRES izao fihaonana izao noho izy manamafy ny fiaraha-miasa sy ny fampiroboroboana ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara. Marihina fa isan’ireo nanangana ny Centre ValBio sy ny Valan-javaboarin’i Ranomafana ny Pr Patricia Wright, efa nanofana mpikaroka Malagasy maro tamin’ny alalan’ny Stony Brook University ary vonona hiara-hiasa hatrany amin'ny fampandrosoana ny ivotoeram-pikarohana sy valan-javaboahary eo ambany fiahian’ny Minisitera.