𝑁𝑜𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑜𝑓𝑖𝑠𝑖𝑎𝑙𝑦 𝑛𝑦 𝑈𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑦 𝐼𝑛𝑛𝑜𝑣𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑃𝑜𝑑 (𝑈𝑛𝑖𝑃𝑜𝑑) 𝑣𝑜𝑎𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛𝑦 𝑒𝑡𝑜 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.
Notokanan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, teny Tsimbazaza ny 28 mey 2026, ny UniPod Madagascar, sehatra iray hanohanana ny tanora sy ny fandraharahana ary hanovana ny fikarohana ho vokatra azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro.
Nambaran’ny Filoha tamin’izany fa fototra iorenan’ny fanavaozana sy laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny tetikasa fampandrosoana ny fampianarana ambaratonga ambony. Nomarihiny ihany koa fa efa eo am-pitadiavana fomba hanitarana izao tetikasa izao manerana an’i Madagasikara ny Fitondrana.
Tetsy ankilany, nanamafy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, fa tsy tokony hijanona amin’ny diplaoma sy teoria intsony ny fampianarana ambaratonga ambony fa hitondra vahaolana mivaingana ho an’ny firenena. “Sahia mamorona, sahia manavao, sahia miroso amin’ny fandraharahana”, hoy hatrany ny Minisitra raha nanao antso ho an’ireo tanora.
Ahitana laboratoara momba ny robotika, ny faharanitan-tsaina artifisialy, ny Agrifood, ny GreenTech ary ny famindrana teknolojia ao amin’ny UniPod. Ity ivon-toerana ity dia eo ambany fiahian’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Haivao (DRI) eto amin’ny MESUPRES ary tohanan’ny PNUD amin’ny alalan’ny tetikasa panafrikanina “Timbuktoo”, miaraka amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP). Misy fifantenana ny tanora afaka miditra ao amin’ny UniPod.
Tanjon’ny PNUD ny hanome hery ny tanora mba hahafahan'ny tanora mandray andraikitra amin’ny alalan’ny fampivelarana ny fahaizany sy ny tetikasany, hitondra vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony ary handray anjara amin’ny fananganana toekarena misokatra kokoa, matanjaka ary miomana amin’ny ho avy, araka ny nambaran’i Dr Edward A. Christow, Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara.
Nanatrika ny lanonana ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, mpikambana ao amin’ny Governemanta, olo-manankaja maro, solontenan’ny Oniversite, mpikaroka, mpianatra ary ireo mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany.